<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>99</hymn_number>
<title>Ry fitiavan'i Jesosy FFPM99</title>
<lyrics>[V1]
 Ry fitiavan'i Jesosy !
 'Zay voahombo ho anay,
 Ony be sy mahavonjy,
 Aoka ho lasanao 'zahay !
 Tompo, Zanakondry tsara,
 Ampy re ilay ranao,
 Tsy helohin'ny Mpitsara
 'Zay mpanota afakao.

[V2]
 Fa misento ny fanahy,
 'Zay etý an-tany 'zao ;
 Malahelo sy manahy,
 Sao ho voan'izay natao.
 Tompo, Zanakondry ..sns.

[V3]
 Ny mpanota dia ho very,
 Raha tsy mba miova izao.
 Fa hahazo tena hery,
 Raha mino tsara Anao !
 Tompo, Zanakondry ..sns.

[V4]
 Enga anie ka mba hiely
 Ho an'izao tontolo izao
 Ilehy Ony mahafaly,
 Manadio sy manavao !
 Tompo, Zanakondry ..sns.</lyrics>
<author>T.J. Williams</author>
</song>